Fitaterana : Mpamily taxibe nandositra rehefa tsy nanara-dalàna
Dépêche 24 octobre, 16h30, Mpamily taxibe 143 iray no vaky nandositra rehefa nosakanan’ny Polisy ka hita fa tsy nanara-dalàna. Ny mpamily tsirairay dia samy manana ny atao hoe « cahier de charge » ka izay voarakitra ao anatin’izany no harahin’izy ireo. Ohatra ny ora farany hiasana dia voasoratra ao. Ny tsy fanajana izany cahioer de charge izany no antony nanakanana azy ary nandà ny tsy hanome ny taratasin’ny fiara izy ka nandositra. Rehefa nifanenjehana anefa izy dia tratra ihany ka teo amin’ny tobin-dasantsy Galana Andranonahoatra no nahatrarana azy izay tsy nisy ratra fa salama tsara.
