Kolonely sandoka tany Mandritsara
07 Jona, 12h00. Tovovavy iray 15 taona no noteren’ity lehilahy ity hanambady azy fa nilaza izy fa bedin’ny lehibeny raha tsy manambady. Olona manana havana migadra ihany koa no nangalany vola 400 000 Ar fa nolazainy fa afaka mamoaka ny havany any am-ponja. Efa tra-tehaky ny mpitandro ny filaminana izy ary hiatrika famotorana.
