Hanomboka ny fananganana kianja manara-penitra
Raha niaina tanatin’ny kianja feno vovoka sy i Mahitsy teo aloha dia nahazo kianja manara-penitra ity toerana ity ankehitriny izay notokanana omaly. Isan’ny vina napetraka nandritra ny fampielezan-kevitra nataon’ny filoham-pirenena ny hanomezana sehatra ara-panatanjahan-tena ho an’ny tanora. Ankehitriny, efa natomboka ny tetik’asa, toerana maro no hisitraka izany toy i Mahitsy. Hanaganana kianja manaraka ny fenitra iraisam-pirenena isaky ny distrika manerana ny nosy hoy ny filoham-pirenena. Akoatran’ireo efa voatokana, kianja 33 no efa andalam-pananganana raha 31 no vinavina ho hatsangana indray izay ezahana ho vitaina amin’ity taona ity hoy ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahan-tena, Raharoarilala Tinoka Roberto. Isan’ny manome lanja ny voninahim-pirenena ankehitriny ny sehatra fanatanjahan-tena ka izany no antony hanomezana lanja ny tanora misehatra amin’izany hoy hatrany ny filoham-pirenena. Hita anefa fa na dia ny baolina kitra aza ny fanatanjahan-tena voloahany maneran-tany, fanatanjahan-tena maro hafa akoatran’ny baolina kitra ihany koa no mbola mahaliana ny tanora Malagasy toy ny lomano, ny Handball, ny Volleyball sy ny maro hafa.
Nicole Rafalimananjara
