CultureTatitra

France : Niverina nisokatra ho an’ny daholo be  ny « lacs Hostens » taorian’ny fahamaizana niseho, roa taona lasa izay

Nisehoana fahamaizana lehibe, naharavana faritra maherin’ny 30.000 hekatra tao Gironde ny taona 2022. Anisan’ny nandalovan’izany afo lehibe izany ihany koa ny faritr’i Hostens. Zava-mahagaga, izay mbola hanaovan’ireo mpikaroka fanadihadiana anefa ny tranga tao Hostens ity, satria na voafehy ara-potoana ny afo manodidina rehetra, ary voasoroka ny loza tamin’ny mety hahafatesana olona, dia mbola nahita soritr’afo tsy nety novonoina tao amin’ny faritr’i Hostens ity. Toerana iray ambanin’ny tany, misy ireny fasi-mainty ireny no misy izany afo tsy mbola maty izany. Nanomboka tamin’ny nisian’ny fahamaizan’ny toerana ny taona 2022 no niotrika tao an-toerana araka izany ny afo ary everina tsy mbola hitsahatra ao anatin ‘ny fotoana voafetra izany firehetany izany satria maherin’ny 300° any ho any ny hafanana ao anatiny. Etsy ankilany, amin’ny maha toerana miavaka ny faritr’i Hostens, izy dia manana toerana natoraly, anaty ala ary misy farihy voajanahary maro izay afaka hilomanosana ny iray dia naverin’ny governamanta any an-toerana hisokatra ary azo tsidihan’ny daholo be izany. Mbola anatin’ny fanaraha-maso tanetraka kosa ny mahakasika ilay faritra may ambanin’ny tany any an-toerana.

Laisser un commentaire