ActualitésTsidika

Akon’ny rivodoza: 24 ny maty ary 47 261 no traboina

Araky ny antontanisa vonjy maika navoakan’nyr BNGRC tao aorian’ny rivodoza dia olona 24 no fantatra fa namoy ny ainy. 23 tamin’ireo teto Analamanga ary iray tao Fianarantsoa.Mbola tsy tafiditra ao amin’io isa vonjy maika io anefa ireo olona telo maty tao Fianarantsoa nivoaka ny zoma teo sy ireo olona 2 hafa maty tao Moramanga noho ny rotsak’orana nanomboka ny sabotsy teo.Eto Antananarivo kosa ny 44 885 ny traboina avy amin’ny tokatrano 10 047. Olona 27 022 kosa no mipetraka any amin’ny toerana natokana ho an’ny traboina izay miisa 41 manerana ny nosy.

Laisser un commentaire