Dépêches

Krizy ukrainiana: Nihaona tamin’ny minisitry ny raharaham-bahiny malagasy ny masoivohon’i Russie

01 Martsa, 10h00. Taorian’ny fitsidihin’ny delegasionan’ny Vondrona eropeanina sy ireo masoivoho maromaro teny Anosy omaly dia nitsidika ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy ihany koa ny masoivohon’i Russie. Nitondra fanazavana mikasika ny « antony niarovan’i Russie ireo Repoblika entimbahoak’i Donbass (RPD) sy Repoblika entimbahoak’i Lougansk (RPL) » ny tenany. Marihina fa maro amin’izao fotoana ireo firenena mangataka an’i Madagasikara hanameloka an’i Russie.

Laisser un commentaire