Toamasina : Nitrangana hain-trano tao Tanamborozano
01 Martsa, 09h00. Nitrangana hain-trano tao Tanamborozano omaly. Trano telo no ravan’ny afo tanteraka tamin’izany. Tsy voafaritra mazava ny fiandohan’ny afo saingy misokatra ny fanadihadiana mahakasika izany. Tsy nisy kosa ny aina nahafoy sy ny naratra nandritra ity loza ity. Ireo fokonolona sy ny Polisim-pirenena no nifarimbona tamin’ny mpamonjy voinan’ny CUT namono ny afo teny an-toerana.
