Dépêches

Ambatovy : Hampitomboana ny fandraisana mpiasa tanora Malagasy

Dépêche 06 février, 15h, Hanome vahana ireo tanora mitady asa Malagasy ny avy ao amin’ny orinasa Ambatovy. Hatao laharam-pahamehana izy ireo amin’izany ka namoaka ny fandaharan’asa « Internship Program » izay tetik’asa iray hitiliana ireo tanora Malagasy mana-talenta ka handraisana azy ireo hiasa ao anatin’izany. Ny tena tanjona lehibe amin’izany dia ny ahafahana manome lalana ireo tanora Malagasy ireo ao anatin’ny fametrahana ny fiantraikany miabo ho an’ny Malagasy rehetra. Amin’ny alalan’ny fanatonana ireo sekoly ambony manerana ny Nosy no hanatanterahana izany hanazavana amin’ireo mpianatra ny fomba fisehoan’ilay « internship program » sy fandraisana sahady ny anaran’ireo izay liana amin’izany. Mbola mitohy hatrany ny hetsika ho an’ny sekoly izay mbola tsy nanadalovany. 

Laisser un commentaire