Voasambotra ireo Jiolahy tany Mampikony
18 Jona, 15h20. Jiolahy miisa 6 no voasambotry ny zandary noho ny vaovao azo tamin’olona tsara sitra-po.Mbola ao anatin’ny fahatanorana avokoa izy 6 ireto, ary efa saika hikoizana mihitsy amin’ny asa fampihorohorona miaraka amin’ny fitaovam-piadiana mahery vaika, hatramin’ny taona 2020 ka hatramin’izao. Taorian’ny fanadihadiana nataon’ireo zandary avy ao amin’ny Brigade Mampikony dia niroso tamin’ny fidinana ifotony avy hatrany izy ireo ka teo no nahatratrarana azy. Nahitana basy poleta vita gasy miisa 02, antsy kely miaraka amin’ny fitaovana fifohana rongony no hita tao anaty kitapon’izy ireo. Niakatra fampanoavana ny raharaha ka nidoboka am-ponja vonjimaika avokoa izy 06 mirahalahy.
