Dépêches

Filaminana : Olona miisa 54 voasambotra noho ny antony samihafa nandritra ny faran’ny herinandro teo

Dépêche 27 décembre, 13h, Nandritra ny roa andro izay nankalazaina ny fetin’ny Noely dia olona miisa 54 no nosamborin’ny Polisy noho ny antony samihafa teto amin’ny faritra Analamanga. Misy tamin’izy ireo no tratra tamin’ny halatra mitam-piadiana, ny halatra madinika ary ny halatra eny anivon’ny tsena. Tao anatin’izany ihany koa ny fivarotana sy fanjifana zava-maha-domelina. Tsy ambakan’izany ny fimamoana be loatra rehefa fety ka miteraka fanaovana toetra tsy mendrika izay tsy maintsy nandraisana fepetra mifanaraka amin’izany. Samy te hanao fety am-pilaminana avokoa ka tsara kokoa raha samy mahay mifehy tena ny tsirairay hahatanteraka izany.

Laisser un commentaire