CENI : Famaranana vonjimaika ny lisitry ny mpifidy
01 Martsa, 10h30. Fampiharana ny andininy faha-37 andalana faha-3 amin’ny lalàna fehizoro 2018-008 tamin’ny 11 Mey 2018 mikasika ny fitondrana ankapobeny ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka ny famaranana vonjimaika ny lisitry ny mpifidy isaky ny distrika. Nivoaka omaly 28 febroary izany ary fantatra fa nahazoana taha-pitomboana 1,91% nandritra ny fisoratana anarana ny 01 desambra hatramin’ny 15 febroary lasa teo. Tafiakatra 10.712.981 ireo mpifidy misoratra ao amin’ny lisitry ny mpifidy ankehitriny raha toa ka 10.512.419 izany nialoha ny 1 desambra 2021.
Mpifidy 380.601 no voarakitra ao anatin’ireo boky ahitana ny mpifidy vaovao na ireo vao feno 18 taona sy ireo mpiavy vao nifindra fonenana. 180.039 kosa no voarakitra ao amin’ireo boky ahitana ny mpifidy nesorina, ireo maty sy ireo very zo araka ny didy raikitra, ary ireo mpifindra fonenana niala teny anivon’ny fokontany.
