Dépêches

Ady amin’ny kolikoly : Mila havadika asa ny resa-be sy ny fivorivoriana

Dépêche 09 février, 14h, Nanambara ny avy ao amin’ny Transparency International Initiative Madagascar fa tokony havadika ho asa ireo fivoriana sy fanambarana isan-karazany mahakasika ny ady amin’ny kolikoly. Amin’ity 2023 dia tokony hatao hita maso ny ezaka indrindra mahakasika ny fifidianana fa tsy hajanona ho ampiasaina mandritra ny propagande fotsiny ihany. Maro ny asa azo atao ahafahana mampiseho izany, toy ny fanambarana mangarahara ireo vola ampiasaina mandritra ny fampielezan-kevitra. Ankoatra ny fifidianana dia mbola asa betsaka ihany koa ny ady amin’ny kolikoly manodidina ny fampahalalam-baovao sy ny fiarovana ny zon’olombelona amin’ny lafiny maro.

Laisser un commentaire