Dépêches

Fanatanjahantena : Efa azo ny visa ho an’i Koloina Razafindranaivo

Dépêche 09 février, 15h, Nahazo ny visa ahafahany mandeha any Algérie i Ra-Kool na i Koloina Razafindranaivo. Ny 14 febroary izao izy no handrasan’ny klioba Mouloudia d’Alger, izay klioba nahazoany ny fifanarahana hilalao. Raha tsiahivina dia mandritra ny telo taona sy tapany no nahazoany izany fifanarahana hilalao izany any an-toerana. Mirary soa hatrany ity mahery fon’ny Malagasy ity.

Laisser un commentaire