ActualitésTsidika

Manao tohivakana ny fanampiana ireo iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo any atsimo

Nitondra ny anjara birikiny amin’ny fanampiana ireo vahoaka hiaran’ny tsy fanjarian-tsakafo any antsimo ny faritra Vakinakaratra. Entana maro toy ny legioma sy voankazo izay mampalaza ny faritra no hozaraina amin’ireo fianakaviana any atsimo, misy ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ny mpandraharaha tsy miankina amin’ny fanomezana ireo fanampiana. Ny kaominina Beraketa no hisitraka ireo fanampiana izay tosika ara-tsakafo, taorian’ny lamina izay napetrak’ireo tompon’andraikitra.

Anisan’ireo tany mamokatra betsaka indrindra any amin’ny faritra Androy, distrikan’ny Bekily raha ny ao Beraketa manokana. Manana tombony lehibe amin’ny ady atoa amin’ny tsy fahampian-tsakafo ihany koa izany kaominina izany manoloana ny fisian’ny tohadrano izay mamatsy rano ny mponina any an-toerana. Na eo aza izany rehetra izany, mijanona ho faritra anjakan’ny kere izany kaominina izany. Inona no antony ?

« Ilaina ny fanampiana ireo Malagasy mitovy amin’ny tena, mampahonena ny mahita ireo vahoaka mitaraina fa tsy misy sakafo hohainana, tsy misy na dia rano hosotriona. Tsy niraviravy tanana manoloana izany anefa ny faritra Vakinakaratra koa dia ankasitrahana tanteraka izany finiavana izany » hoy i Meva, mpamboly any amin’ny faritr’i Vakinakaratra. « Takiana ny fanaraha-maso entitra mahakasika ireny fanampiana ara-tsakafo ireny, raha izay fanampiana hatramin’izay no atambatra, tokony efa ho foana tanteraka izany kere izany saingy misy hatrany ny fanararaotam-pahefana ataon’ireo vondona mizara izany ka tsy mandeha raha ny lamina napetraka ny raharaha » hoy i Karen, mpianatra.

« Fanmpiana maharitra no tena vahaolana iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Tetik’asa famatsiana rano, fanomezana masom-boly, fampiofanana mahakasika ny fambolena sy fiompiana izay miantoka ny fiariana amin’ny andavan’andro no tokony himasoan’ny mpitondra sy ireo Minisitra isan’antokony » hoy i Beatrice, mpandraharaha ao Ambovombe. « Mifanohantohan-tsy ho lavo, izany no fahendrena Malagasy. Izay voarambin’ny tanana ihany no hentina hozaraina amin’ny mpiray tanindrazana » hoy i Rakotovao Vyvato, Governoran’ny faritra Vakinakaratra.

Mpitondra maro nifandimby teto amin’ny firenena nandritra izay repoblika efatra nifanesy izay no samy efa nilaza ampahibemaso fa hitondra vahaolana hanafoanana ny kere any atsimo. Mijanona ho fampanantenana paokaty fotsiny ihany izany, tsy misy hatramin’izao ny vahaolana maharitra manoloana izany. Ekena, ary tsy azo hodian-tsy hita ireo fizarana sakafo saingy vonjy maika fotsiny izany, fanampiana anatin’ny ora vitsy fotsiny fa tsy mahavita taona. Tsy ho taratra eto amin’ny firenena mihitsy ny fampandrosoana raha mbola miaina anaty tsy fahampian-tsakafo lalan-dava ireo mponina izay mpandray anjara fototra amin’ny fanatanterahina izany.

Zary lasa enta-mavesatra ho an’ny firenena ny fahantran’ny mponina ao aminy ka izay fampandrosoana mipàka ifotony amin’ny fiainana andavan’andro no tokony atao’ny fanjakana laharam-pahamehana raha tiana ny hanatanteraka ireo velirano napetraka.

Haingotiana Andriamihaja

Laisser un commentaire