ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Ny fokontany Antanambao no nivoaka mpandresy tamin’ny « tournoi du maire Volley ball »

Tontosa ny faran’ny herinandro ny fifaninanana ara-panatanjahan-tena nokarakarain’ny kaominina Ambohimangakely, eo amin’ny taranja Volley-ball. Nivoaka mpandresy tao anatin’izany ny ekipan’ny fokontany Antanambao.

« Nivoaka mpandresy rehefa naharesy ny ekipan’ny fokontany Ankadindambo, tamin’ny salan’isa 3 no tsy misy ny ekipan’ny fokontany Antanambao, nandritra ny lalao fiadiana ny amboaran’ny ben’ny tanàna. Afa-po na ny mpilalao na ny mpikarakara ary mbola hitohy ny fifaninanana ara-panatanjahan-tena atolotry ny kaominina » hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.

« nahafinaritra ny lalao ary hisaorana ny mpikarakara satria tsy mbola nisy ny fifaninanana tahaka izao teto an-toerana. Anisan’ny zava-dehibe ho an’ny mpilalao ity taranja ity izany satria manohana sy manome sehatra ny volley ball » hoy i Ndranto, mpilalao volley ball.

Tonga nanontrona sy nanolotra ny amboara nandritra izany fotoana izany tao an-toerana ny ben’ny tanàna miadidy ny tanàna.

Laisser un commentaire