ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Efa vita ary azo ampiasaina ny lalana rarivato ao Antanandrano

Amam-bolana vitsy no nanamboaran’ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy ny lalana rarivato ao Antanandrano. Amin’izao fotoana izao, efa vita soa aman-tsara izany lalana izany ka efa misokatra sy azo ampiasaina.

« Toy ny fahavitan’ny làlana rarivato mihazo ny FJKM Ankadikely dia efa vita ary misokatra ihany koa ny làlana rarivato ampahany voalohany mandalo ny FJKM Antanandrano » hoy ny tompon’andraikitra avy amin’ny kaominina.

« Anisan’ny nampanano sarotra ny mponina ny fampiasana ity lalana ity teo aloha. Hisaorana ny kaominina amin’ny ezaka sy ny famaliana ny fitarainan’ny mponina ka nahavitan’izany na ny mbola amin’ny ampahany ihany aza » hoy i Tahina, mponina ao Ankadikely Ilafy.

Anisan’ny olana mampitaraina ny mponina ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy ny faharatsian’ny lalana. Maro ireo nitondra faisana noho ny faharatsian’ny lalana tamin’ny fotoanan’ny fahavaratra tao an-toerana. Miezaka manarina izany tsikelikely kosa ny kaominina ao anatin’izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire