Chili : Miverina manao arovava ireo mpianatra
Tafiditra ao anaty hamehana ara-pahasalamana i Chili. Hatramin’ny niandohan’ny ririnina tao an-toerana herinandro vitsivitsy izao dia mirongatra ny aretin’ny taovam-pisefoana. Raha ny tatitry ny ministeran’ny fahasalamana dia mbola voafehy ny trangan’aretina saingy mitombo an’isa ireo mitondra izany.
Raha ny fanazavana kosa dia aretina « syncytial », izay aretina mampidi-doza, mora mifindra ary isan’ireo aretin’ny taovam-pisefoana mpahazo ny ankizy madinika betsaka indrindra eran-tany io aretina io. Noho izany dia ireo ankizy no tena handairany. Manoloana ny tranga kosa dia tsy manao arovava ireo ankizy mahery ny 5 taona ao Chili. Maro ireo sekoly efa mampiatra ny fepetra toy ny sekoly ao amin’ny renivohitra Santiago.
