ActualitésTsidika

Alasora : Misy ny fahatapahan-dalana eny amin’ny fokontany Amboaroy

Manatanteraka fanamboaran-dalana rarivato ao amin’ny fokontany Amboaroy ny kaominina Alasora amin’izao fotoana izao. Misy ny fahatapahan-dalana noho izany nanomboka ny 9 may hatramin’ny 11 jolay ho avy izao.

« Ilazana isika mpampiasa lalana rehetra mba hanaraka hatrany ny fahandaminana ho tombontsoan’ny besinimaro. Ialàna tsiny amin’ny fanelingelenana fa ho fampandrosoana ny tanàna foana izany » hoy ny avy ao amin’ny kaominina. « Tena betsaka tokao ny mampiasa ity lalana ity. Tsy vitsy ireo mitaraina noho ny haratsiny. Isaorana ny tompon’andraikitra mijery akaiky hatrany izay mahasoa ny vahoaka ety ifotony » hoy ny lehiben’ny fokontany ao Amboaroy.

Lalana mirefy 240 metatra sy 3,50 metatra ity amboarina ity. Hirariana hitohy hatrany ny asa ho an’ny vahoaka toy izany.

Diamondra Randriantsiferana

Laisser un commentaire