Fanamafisana ny fanaovana vaksiny hiadiana amin’ny « poliomyélite » eto Madagasikara
Tsy nahitana resaka hafa ankoatran’ny valan’aretina Coronavirus ny fiaraha-monina sy tambajotra sosialy tao anatin’ny volana maromaro nifanesy izay tena nampirongatra ity valan’aretina ity. Tsy hoe resy avokoa akory ireo aretina hafa rehetra fa zary adinodino sy nodiana tsy hita angaha.
Ankehitriny, azo lazaina ho efa resy amin’ny ampahany ny valan’aretina ka samy tonga saina hiverina amin’ny fiainana talohan’ny nahatongavany avokoa ny rehetra. Tamin’ny alakamisy, raha tsiahivina, no nifarana ny andiany voalohany amin’ny fanaovana ny vaksiny fanefitry ny coronavirus. Eo amin’izay resaka vaksiny izay indrindra, natokana ho andro hanamafisana ny fanaovam-baksiny ny 28, 29 ary 30 jona ho an’ireo faritra 15 eto Madagasikara. Hisy ny fitetezana isan-tokantrano sy sekoly ho ataon’ireo mpanao vaksiny. Na dia efa nisy aza ny fanambarana fa efa afaka malalaka amin’ny polio i Madagasikara ny jona 2018, natao ihany izao mba hanamafisana sy hanampiana ireo ezaka rehetra efa vita.
Maro ireo ray aman-dreny mbola tsy resy lahatra amin’ny fanaovana vaksiny eto Madagasikara na dia efa maro aza ireo fanentanana nataon’ireo tompon’andraikitra misahana izany.
Ally Herisoananahary
