Maurice : Fanakatonana efitrano iray ao amin’ny hopitaly Brown Sequard
Olona telo be izao tao, ao anaty fianakaviana iray, no indray hita fa mitondra ny tsimok’aretina Coronavirus. Polisy ny raim-pianakaviana tao amin’izany izay miasa ao amin’ny paositrin’ny Polisy ao Petite-Rivière Maurice.
Ny talata 22 jona lasa teo aza dia nakatona mandritra ny fotoana tsy voafaritra ny paositrin’ny polisy niasany noho izao trangana Covid-19 hita tao izao. Mpitsabo mpanampy ao amin’ny ivon-toerana fanaovam-baksiny SVICC any Pailles ny zanany vavy izay hita ihany koa fa mitondra ny tsimok’aretina coronavirus. Tahaka izany ihany koa ny anadahin’ity farany izany hoe ny zanaka lahin’ilay polisy izay hita ihany koa fa mitondra ny aretina taorin’ny valin’ny fitiliana.
Ity zanany lahy ity izay mpitsabo mpanampy ao amin’ny hopitaly Brown any Beau-Bassin. Ary noho io tranga farany io no antony tsy maintsy nanakatonana ny efitrano iray fivezivezen’ity mpitsabo mpanampy lahy ity tao amin’ny hopitaly niasany.
