CultureTatitra

La Réunion : Mbola manana ny lanjany ny fanafody nentim-paharazana

Tafiditra ao anaty ririnina tanteraka ny nosy La Réunion. Niara-miditra tamin’izany ihany koa ireo karazan’aretina sy gripa madinidinika. Hiatrehana sy hisorohana izany dia misafidy ny hampiasa ny fanafody nentim-paharazana tsotsotra toy ny raokandro, tantely sy vokatra voajanahary samihafa ny mponina.

Tena nahomby ny fanafody nentim-paharazana fataon’ireo renibe fahiny hoy i Alexis Thiburce, mpanao raokandro ary mpamboly. Maro ireo vokatra tena tsara ho an’ny fahasalamana mandritra ny ririnina raha ny fanazavany. Isan’izany ny «safran », « verveine », « géranium », « canelle », ravina « cerise », tongotr’akoho ary veromanitra hoy i Alexis Thiburce. Ampangotrahina manditra ny 7 minitra miaraka amin’ny rano 3 litatra ireo ary atao evoka. Miady amin’ny gripa sy ny tazo ary manala ny « sinusite » sy ny aretin’andoha izany.

Vokatra be mpampiasa ao an-toerana ihany koa ny tantely, vosary makirana ary tamotamo. Fanafody mihitsy izany ary amidy eny amin’ny toeram-pivarotana fanafody mihitsy hoy ny Claude Cheung, mpivarotra fanafody ao an-toerana.

Laisser un commentaire