ActualitésTatitra

Mayotte : Miverina misokatra ny « cinéma Alpa Joe »

Miverina misokatra ny zoma izao amin’ny 11 ora sy sasany ny toerana fijerena horonantsary « Alpa Joe » ao Mamoudzou. Raha tsiahivina dia nikatona nanomboka ny taona 2017 io toerana io noho ny fanamboarana sy fanarenana. Anisany nanaela ny fahavitan’ny fanamboarana kosa nefa ny fidiram-bola sy ny  valan’aretina Covid-19.

Navaozina avokoa ny fitaovana sy ny endriky ny toerana hoy kosa i Faissoil Abdourahamane, tompon’andraikitry ny « cabine de projection ». Novaina iero seza 268 isa ary nosoloina ny « écran de projection » hoy izy. Maro kosa ireo horonantsary malaza hisantatra ny fanokafana ny toerana ny zoma izao toy ny « Avatar 2» raha ny fanamafisan’i Faissoil Abdourahamane.

Laisser un commentaire