ActualitésTatitra

Etats-Unis : Nisehoana fitifirana nandritra ny lanonana fizarana diplaoma iray tao Virginie

Trangana fitifirana iray no niseho nandritra ny lanonana fizarana diplaoma tao amin’ny lisea iray tao Virginie, ao atsinanan’i Etats-Unis. Raha ny fanazavan’ny lehiben’ny polisy tao an-toerana, Rick Edwards dia manodidina ny 5 ora hariva ny 6 jona teo, teo ivelan’ny teatra iray tao Richmond no niseho ny tranga.

 Olona roa kosa no maty vokatr’io fitifirana io, mpianatra 18 taona ny iray ary lehilahy 36 taona ny iray hafa. Olona dimy hafa kosa no naratra ary ny iray amin’ireo dia ao anaty fahasarotana raha ny fanamafisan’ny tompon’andraikitra.

Tovolahy 19 taona kosa no voarohirohy amin’ny tranga. Tafatsoaka izy saingy tratra ihany rehefa natao ny fikarohana. Raha ny fanazavana kosa dia fantatr’io nitarika ny fitifirana io ny iray amin’ireo olona namoy ny ainy. Efa voampanga ho namono olona kosa io tovolahy io saingy tsy nanome ny anton’ny fitifirana nataony izy.

Laisser un commentaire