ActualitésTsidika

Tontolo iainana : Horaisin’ny sekoly ENMG ho laharam-pahamehana ny fiarovana ny harena voajanahary

Anisan’ny taranja vaovao ho ampidirina ao amin’ny Sekolim-pirenena fanofanana mpitsara sy mpirakidraharaha (ENMG) ny lalàna mifehy ny harena voajanahary. Mbola sehatra iray virtsy mpiaro ary tena hanariana vola maro ihany koa ity sehatra ity ka izany indrindra no handraisana azy ho laharam-pahamehana. Manomboka izao araka izany hamoaka mpahay lalàna manokana mahakasika ny tontolo iaianana ity sekoly ity.

« Voakasik’izany fampiofanana izany ny ady amin’ny kolikoly sy ny ady amin’ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny harena voajanahary ary ireo karazan-java-manan’aina. Kendrena amin’izany ny hifehezan’ny mpianatra ho mpitsara ny lalàna mifehy ny harena voajanahary, ho fiarovana ny tontolo iainana. Manamafy ny ady amin’ny fitrandrahana antsokosoko koa izany », hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Tontolo iainana, izay anisan’ny hiandraikitra ny fampiofanana.

« Hizara telo lehibe ny fampianarana izay ho atrehin’ny rehetra haharitra 10 ora ny mahakasika ny ady amin’ny kolikoly. Eo ihany koa ny ady amin’ny fampiasana vola tsy ara-dalana ao amin’ity sehatra ity ahharitra 10 ora. Misy ny fampianarana manokana mahakasika ny lalàna hahafahana miady amin’ny kolikoly manodidina ny harena voajanahary haharitra 16 ora izany » hoy ny avy ao amin’ny ENMG.

Tsy anjaran’ny ENMG irery anefa izany fa manana adidy amin’izany ny vondron’olona ifotony, ny mpiaro ny alas y ny zava-boahary miparitaka any. Tokony samy handray andraikitra amin’izany avokoa ary indrindra tolorana fanamafisam-pahalalana.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire