ActualitésTsidika

Ambohimangakely: Misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo mikasa hitady vola amin’ny podium

Ao anatin’ny fanomanana ny fankalazana ny fety niverenan’ny fahaleovan-tena malagasy ny ao amin’ny kaominina Ambohimangakely amin’izao fotoana izao. Hisy araka izany fety lehibe ho fanamarihana izany ao an-toerana raha ny voalaza.

« Noho ny fankalazana ny fetim-pirenena dia hisy ny podium izay karakarain’ny kaominina ny 25 sy 26 jona 2023 izay atao eny amin’ny By-pass ampitan’ny orinasa Mikiry »  hoy ireo tomponandraikitra avy eo anivon’ny kaominina.

« Araka izany, miantso ireo manam-panirina hivarotra sy hanao fampirantiana ho tonga hisoratra anarana aty amin’ny biraon’ny kaominina varavaana faha 18, alohan’ny faha 20 jona amin’ny 04 ora hariva » hoy hatrany ny fanazavana.

Fetim-pirenena ary fetin’ny malagasy rehetra ny datin’ny 26 jona. Mendrika hankalazaina anaty filaminana sy hafaliana izy, araka izany. Samy manana ny fomba entiny mankalaza izany avokoa moa ny kaominina tsirairay

Manitra R.

Laisser un commentaire