Inde : Tetezana iray no nirodana tao Bihar
Faritra izany mahantra ao Inde i Bihar. Tetezana an-dalam-panamboarana iray mamakivaky ny reniranon’i Gange no nirodana tao an-toerana. Raha ny fanazavan’ny manam-pahefana dia olona iray no tsy hita manoloana izany.
Mirefy 3,5 kilometatra io tetezana io. Tamin’ny taona 2019 no tokony nifarana ny fanamboarana azy raha ny fanazavana saingy voatery naato noho ny anto maro samihafa. Tamin’ny 30 aprily 2022 teo no nikasiana ny tetezana farany izay nirodana talohan’izany noho ny rivodoza.
Porofon’ny tsy fahaiza-mitantana kosa ny fianjeran’ny tetezana toy ny karatra tao anaty ny renirano hoy ny minisitry ny angovo tao an-toerana, izay mpanohitra ny fitondrana. Ny manam-pahefana tao Bihar kosa dia nampanantena fa hanokatra fanadihadiana lalina ary handray fepetra hentitra manoloana ny tranga.
