Mitondra otrikaina ny fihinana sakafo ara-pahasalamana
Azo hambara ho mbola maro ny sakafo vokatra eto Madagasikara saingy tsy hain’ny Malagasy ny mampivady azy ho ara-pahasalamana. Ilaina ny mihinana sakafo maro loko sy miovaova mitondra ireo karazana otrikaina ilain’ny vatana. Raha ny salanisa tamin’ny taon-dasa, nahatratra 800 000 ireo zaza Malagasy narahi-maso amin’ny fitomboana sy tsy fanjariantsakafo. Nohon’ny olana misy eo amin’ny hain-tany, toy ny any amin’ny faritra atsimo anefa, tsy misy ny vokatra satria tsy misy ny rano manondraka ny tany volena. Marina fa efa misy ny fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana sy ireo fikambanana maro samihafa manoloana ny tsy fahampiana mianjady amin’izy ireo, mbola hita ihany ny fiverimberenan’izany isan-taona. Ny zaza no tena lasibatra amin’izany, ka misy ireo marary sy mamoy ny ainy mihitsy aza. Ny fanadihadihana nataon’ny fikambanana iraisam-pirenena momban’ny fambolena sy ny sakafo na ny FAO no nahitana fa tsy ampy sakafo ny 44% ny Malagasy. Anton’izany ny fahampian’ny vokatra novokarina nohon’ny fitomboan’ny mponina be loatra indrindra ireo any amin’ny faritra, eo ihany koa ny fihenan’ny fanjifana ireo sakafo mitondra hery fiarovana toy ny voankazo, legioma, ny trondro, ny hena, ny atody sy ny ronono. Miaka-bidy ihany koa mantsy ireo amin’izao fotoana izao. Ankoatra izany, mihena ny fahafaha-mividin’ny mponina, ny tsy fisian’ny fanentanana sy fampianarana eo amin’ny resaka sakafo ara-pahasalamana, ny tsy fahalalana eo amin’ny fomba hampihasaina ireo vokatra azo. Tokony hisy araka izany ny fanentanana ampy ho an’ny olona rehetra isan-tsokajiny amin’ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana, ary tokony hitadiavana vahaolana maharitra ireo toerana tsy tongan’izany vokatra ara-tsakafo izany.
Fanilo Rarivoarilala
