Ny tsiambaratelon’ny ravim-bomanga
Anisan’ny manasitrana aretina marobe izy toy ny: rera-dava, sempotra, aretim-po, miaro amin’ny fisian’ny AVC, ny fahatapahan’ny lalan-drà, kohaka tsy mety afaka, poizina ao anaty, famosaviana, taova mikorontana na tsy miasa tsara, areti-mandringana
Ravimbomanga 7 isa diovIna tsara dia am-pangotrahana amin’ny rano 5 litatra mandritra ny 7 minitra. Bataina avy eo dia maka 3 kaopy kafe ka atokana sy avela ho matimaty dia sotroina 1 kaopy avy : maraina, atoandro, hariva.
Ny ambiny avy nakana ilay 3 kaopy kosa ievohana.
Rehefa vita ny evoka dia iny rano iny handroana (rehefa zaka ny vatana) ka miainga ny loha hatrany am-paladia (tsy mampiasa Savony,tsy azo tampohina rano)
Atao 3 andro misesy ireo.
Raha RERAKA dia ravimbomanga 7 ihany ampangotrahina amin’ny rano 1 litatra, 7minitra ihany ka atao rano fisotro iny mandritra ny 1 andro.
Raha SEMPOTRA dia maka ravimbomanga 3 ka sasana tsara dia tsakoina elabe ao am-bava ary atelina avy eo na koa totoina ny ravimbomanga ka atao izay hahazoana ranony 1 sotro fihinana dia sotroina vao maraina mandritra ny 3 andro koa.
Raha POIZINA ao anaty dia mitsako ilay raviny telo koa fa raha efa naharitra sy betsaka ny poizina dia maka ranony 3 sotro fihinana ihany ka afangaro ao ny tamenaka atody gasy 1 ka kapohina tsara dia ampisotroina ilay voapoizina fa ho afaka ny poizina, tsy asiana menaka na sira (atao mandrindra ny 7 andro raha tsy afaka tsara)
Raha ARETI-MIFINDRA sy ATETI-MANDRINGANA dia mahandro vomanga mena toy ny mahazatra ary rehefa masaka sy ritra dia bataina eo afovoan-trano io ary sokafana ny sarom-bilany dia manodidina eo toy ny mievoka ny mpianakavy ho fiarovana ny aretimifindra.
Raha efa misy marary voa moa dia atao maimay ny vodivilany rehefa mahandro vomanga ka esorina daholo ka ilay miraikitra amin’ny vodivilany iny (ilay hodiny kely)asiana ranokely rehefa mamoaka loko mainty dia ampisotroina 1 sotro fihinanana iny ilay marary ka ho sitrana sy tsy hamindra intsony ny aretina.
Sady misy calcium no misy vitamine ny ravim-bomanga.
Fenohasina Ratsimamitaka
