Jordanie : Efa tany amin’ny taonjato fahavalo no nisy ny jeu d’échecs
Profesora archéoloque iray avy ao Canada antsoina hoe John Peter Olseon no nahita fa efa nisy nilalao ny jeu d’échecs tany amin’ny taonjato fahavalo tao Moyen-Orient. Hita tamin’ireo zavatra sarobidy samihafa nangonina tao amin’ny site d’Humaymah tao Jordanie tamin’ny taona 1991 io fitaovana io.
Raha ny fikarohana nataon’ireo siantifika dia efa tany amin’ny taonjato faha-7 na fiandohan’ny taonjato faha-8 no nisy io jeu d’échecs io. Voasokitra tamin’ny vatosokay kely io fitaovana io izay hita tamin’ny toerana izany noheverina fa fijanonan’ny « caravanière », teo amin’ny lalana mampisaraka ny tanànan’i Petra sy ny ranomasina Mena tany amin’ny taona 1300 tany.
