Italie : Tsy nampoizina ny fandresen’i Daniel Ricciardo
Nifandona, nifampitaingina, nivoaka ny kianja ary niala an-daharana i Max Verstappen (Red Bull) sy i Lewis Hamilton (Mercedes), izay samy miady ho tompon-daka eran-tany, tamin’ny lalao Formule 1 notanterahina tao Monza omaly.I Daniel Ricciardo (McLaren) sy i Lando Norris (McLaren) izany no naka ny toerana roa voalohany tamin’ny lalao omaly. Fahatelo i Valtteri Bottas (Mercedes) rehefa nahazo sazy dimy segondra i Sergio Perez (Red Bull, tafiditra fahatelo) noho ny fisongonna tsy ara-dalàna teo amin’ny Valtteri Bottas. Lasa fahadimy izany i Sergio Perez, aorian’i Charles Leclerc (Ferrari). Mbola nahazo isa indray koa i Gerorge Russell (Williams) satria tafiditra fahasivy.I Max Verstappen no mitana ny laharana voalohany eo amin’ny fiadiana ho tompon-daka eran-tany (isa 226,5). Manaraka azy i Lewis Hamilton (isa 221,5). Fahatelo i Valtteri Bottas (isa 141).
