France : Hitombo an-jatony ireo sivily ho amin’ny fitsarana ny 13 Novambra manoloana ny raharaha fampihorohoroana tao Paris
Hiampy an-jatony ireo sivily hio amin’ny fitsarana amin’ny 13 Novambra ankoatra ireo olona niaram-boina 1 765 efa nandrafitra io vondron’ny sivily io nandritra ny fitsarana ny herinandro lasa teo. Vinavinaina ahahatratra 2000 izany raha ny fanazavana. Marihina fa mampivondrona ny fianakavian’ireo lavo na ireo naratra nandritra io fanafiana tao amin’ny kianjan’i Paris sy teo amin’ny Bataclan io vondrona io. Eo ihany kosa ireo mpamonjy voina ary ireo mpiasa ary olona rehetra nanatrika io fanafiana io. Niampy telo ihany kosa ny mpisolovava, avy ao amin’ny vondrona Eagles of Death Metal.
