SocialTatitra

Corée du Sud : Iza ny mpikambana manan-karena indrindra ao amin’ny BTS ?

23 000 euro farahakelin’ny karaman’ireo olo-malaza any ivelany. Efa mahatratra 8 tapitrisa dollars isan-taona kosa izany ho an’ireo mpikambana ao amin’ny BTS ireo, misy an’i Jungkook, Jin, RM, J-Hope, Suga, Jimin sy V. 100 000 tapitrisa dollars kosa ny totalim-bola izy ireo miaraka amin’ny fitadiavam-bolany hafa ankoatra ny fihirana. Ny fahombiazan’ny fivarotana ny raki-kiran’izy ireo farany teo izao no anisany tena nampidibola ho azy ireo.I J-Hope na i Jung Ho-Seok kosa no mpikamba manan-karena indrindra ao amin’ny tarika. Mambola noho ireo mpikambana hafa izy raha ny fanazavana, izay azony avy amin’ny fihirany manokana sy ny fiarahany miasa amina marika toy ny Puma. Mitentina 24 hatraim’ny 26 tapitrisa dollars eo ny fananany raha isa nivoaka tamin’ity taona ity. Manaraka azy kosa i Suga na i Min Yoongi.

Laisser un commentaire