Fahamaizana tanin-janakazo tao Marohogo Mahajanga
13 Septambra, 12h00. Tao aorian’ny nahamaizan’ny valan-javaboary Ankarafantsika dia fantatra fa nisy firehetana ko tao amin’ny toerana misy ny fambolen-kazo iarahan’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ireo orinasa tsy miankina na Fiangonana na Fikambanana ao Mahajanga. Tsy fantatra mazava ny fiavian’ny afo ary efa mandeha amin’izao fotoana izao ny fanadihadiana raha ny nambaran’ny Minisitry ny tontolo iainana.
