SocialTatitra

Maurice : Nandravarava ary nisy ny namoy ny ainy nandritra ny fandalovan’ny rivo-doza Belal

Taorinan’ny fandalovan’ny rivo-doza Belal, tao amin’ny nosy La Réunion, dia namely mafy tao amin’ny nosy Maurice ihany koa ity rivo-doza ity miaraka amin’ny ora-mikija sy ny tafiotra entiny. Maro araka izany ireo fahavoazana nentiny, ankoatra ny fahapotehana sy ny tondra-drano dia namono olona iray ihany koa ity rivo-dozaity. Araka ny voalazan’ireo polisy tao an-toerana dia olona iray no hita faty tao amin’ny lalana tondra-drano. Mpitondra tongo-droa izay tratran’ny lozam-pifamoivoizana no nahazo ity farany.

Manoloana izany, manentana ny mponina ao an-toerana ny governemanta mba tsy hiandraika fa hitandrina sy hijanona ao an-trano mandrapalasa tanteraka ny rivo-doza.

Laisser un commentaire