Dépêches

𝙑𝙄𝙉𝘼 𝙈𝘼𝙉𝘿𝙍𝙄𝙏𝙍𝘼 𝙉𝙔 𝙃𝙀𝙍𝙄𝙉𝘼𝙉𝘿𝙍𝙊: 16 hatramin’ny 22 Janoary 2024

Mety hisy faritra andro ratsy hiforona ao amin’ny ranomasimbe Indiana amin’ny faran’ny herinandro.

Hahazo vahana ny tsiokan’ny talio indrindra ny telo andro voalohany nohon’ny fisian’ilay rahom-baratra ao avaratra andrefan’ny Nosy.

Hisy oram-baratra mitsitokotoko saika manerana ny Nosy ankoatra ny ilany atsimo andrefana sy atsimon’ny Nosy izay ho maina amin’ny ankapobeny. Ho betsaka kokoa ny rotsakorana any Boeny sy Sofia ny Talata sy Alarobia.

Hisy fidinanana misongadina ny maripana ambony any amin’ny morontsiraka avaratra andrefan’ny Nosy.Manodidina ny 15 – 27°C ny maripana ny maraina ary eo anelanelan’ny 27 – 38°C ny tolakandro. 🌡️🌡️

Météo Madagascar

Laisser un commentaire