CRCO SOFIA : Afaka misokatra ny toeram-pilanonana fa manaraka fepetra ara-pahasalamana
22 Febroary, 14h00. Olona 08 no voan’ny covid-19 manaraka fitsaboana ao amin’ny faritra Sofia ankehitriny. Saika miiba avokoa ny fitiliana natao amin’olona nanao izany tao ho ato hoy ny Talem-paritry ny fahasalam-bahoaka ‚ nandritra ny fivoriana niarahan’ny CRCO Sofia omaly 22 febroary 2022. Nisy araka ny ezaka nataon’ireo tompon’andraikitra sy ny vahoaka tato amin’ny faritra ka nahazahoana io vokatra. Manoloana izany dia afaka misokatra ny toeram-pilanonana rehetra ao amin’ny faritra saingy mila manaraka ny fepetra ara-pahasalamana.
