Masobe Gecko : Biby miavaka eto Madagasikara
11 Jolay, 14h 00 Manana karazam-biby tsy hita amin’ny toerana hafa maro i Madagasikara. Anisan’izany ny Masobe Gecko, izay karazana katsatsaka (Gecko). Paroedura Masobe no anarana siantifikan’io biby io izay mirefy 0,16 metatra ary miaina eo amin’ny 8 taona eo.
Biby mandady an-tanety amin’ny alina kosa izy ary manana maso lehibe izay anton’io anarany io. Miloko mainty sy fotsy ny Masobe Gecko ao Zahamena, valan-javaboahary 140 km2 no tena ahitana azy ary any amin’ny faritra iva 300 sy 600km anaty ala mando.
Ahatahorana ho lany tamingana ihany koa izy io.
