ActualitésTatitra

France : Mpamono afo iray no maty amperinasa tao Saint-Denis

Nanao fanambarana ny minisitry ny atitany tao France, Gérald Darmanin omaly 3 jolay fa mpamono afo iray, 24 taona monja no namoy ny ainy nandritra ny famonoany ny afo tao amin’ny fiantsonan’ny fiara ambanin’ny tany tao Saint-Denis. Raha ny fantatra dia maty noho ny fijanonan’ny fitempon’ny fo tampoka io tovolahy io.

Ireo mpiara miasa taminy no nahita an’ity farany tsy nahatsiaro tena, nentina tao amin’ny hopitaly miaramila Percy de Clamart izy saingy tsy tana ny ainy. Mbola tsy fantatra mazava kosa raha misy hifandraisany amin’ny fihetsiketsehana goavana ao an-toerana io fahamaizana io saingy raha ny fanazavana dia tsy nisy ny fanairana tonga tamin’ireo mpamono afo noho izany antony izany. Manoloana ny tranga kosa dia efa manomboka ny fanadihadiana ireo tompon’andraikitra.

Laisser un commentaire