Uruguay : Filoha mamim-bahoaka i José Mujica
Olom-panjakana ao Uruguay i José Alberto Mujica Cordano, mitondra ny anaram-bosotra hoe « Pepe Mujica ». Teraka ny 20 mey 1935 tao Montvideo ny tenany.
Efa nitondra an’i Uruguay i Pepe Mujica ny taona 2010 hatramin’ny 2015. Nitolona tamin’ny « Tupamaros », hetsika fanafahana nasionaly izy ny taona 1960 hatramin’ny 1970 ka natao takalon’aina sy nampijaliana teo ambanin’ny jadona miaramila. Taorian’ny fiverenan’ny demokrasia tamin’ny laoniny dia nandray anjara tamin’ny fananganana ny MPP (Mouvement de participation populaire) sy MLN-T (Mouvement de libération nationale Tupamaros) ny tenany.
Tamin’ny taona 2013 dia voasokajy ho filoham-pirenena nahanitra indrindra eran-tany i Pepe Mujica. Tena tian’ny mponina indrindra ireo tanora sy sahirana nefa izy, ary mbola mitoetra izany. Ilay fiara Volkswagen « coccinelle » no tena ahafantarana azy.
