ActualitésTsidika

Fifandraisana iraim-pirenena : Mitohy ny fiaraha-miasa eo amin’ny Madagasikara sy Maurice

Efa ho 50 taona izao no nisian’ny fiaraha-miasa teo amin’ny firenena Morisianina sy ny firenena Malagasy. Amin’ny ankapobeny, miompana kokoa eo amin’ny lafin’ny toe-karena ny fifandraisan’ny firenena roa tonta ary manatsara ny lafin’ny ekonomia, raha  ny voalaza.

« Tombony lehibe eo amin’ny firenena roa tonta ny fisian’ny fiaraha-miasa eo amin’ny fampandrosoana ny firenena tsirairay avy. Anisan’ny manamafy ny fifandraisana sy ny fifanakalozana ara-barotra ny lafin’ny ara-tantara sy jeografia. Ohatra fotsiny amin’izao fotoana, misongadina ny sehatry ny fanodinana lamba sy akanjo » hoy i Felana, mpianatra sociologie eny Ankatso.

« Tsy mitsahatra ny manavao ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny indostrian’ny lamba sy ny ankajo ny firenena Malagasy sy morisianina. Efa nisy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa mba hametrahana izany ara-pomba ofisialy. Izany mao dia mba hampandrosoana ny lafin’ny ara-ekonomika hatrany » hoy ireo mpahay toe-karena.

Sehatra iray mahazo vahana eto Afrika ny sehatry ny indostrian’ny lamba sy ny akanjo. Ho an’ny Madagasikara sy Maurice, mamelona olona maro ny asa amin’ny orinasa afakaba, ary motera manodina ny lafin’ny ekonomika ho an’ny firenena.

Manitra R.

Laisser un commentaire