Tsidika

Festivale des baleines 2023 : Mpisera-dia am-polony no nahazao fanofanana avy amin’ny Cetamada ho fiatrehana ny festivale.

Araka ny efa mahazatra antsika eto Madagasikara dia mahasarika mpizahan-tany vahiny sy Malagasy maro ny fandalovan’ireo trozona eny amin’ny morontsirak’i Madagasakara. Ho fanomanana izany fotoana izany indrindra dia nampiofana mpisera-dia manokana hisehatra amin’izany ny Cetamada. Ny Cetamada dia fikambanana Malagasy mpiaro ny biby mampinono an-dranomaina sy ireo biby rehetra monina anaty ranomasina.

Raha ny fampitam-baovao,  dia ny Ministeran’ny fizahantany no nanome andraikitra ny Cetamada hampanofana ireto mpisera-dia ireto. Ny tanjon’ity fampiofanana ity dia ny ampiroborobo ny tan-tsoroka ara-ekolojikan’ny fizahan-tany  ary koa hanentana ireo mpizahan-tany mba ho tompon’andraikitra amin’ny hetsika izay ataony mandritra ny fitsirihana ireo biby miana an-dranomasina.   

« Iaraha-mahalala ny voka-dratsin’ny hetsika ataon-tsika olombelona amin’ny natiora. Isan’ny lasibatra amin’izany ny biby na an-tanety izany na an-dranomasina  dia misy fiatraikany avokoa. Koa noho izany dia ilaina ny fampihofanana toy itony mba hanatsarana ny kalitaon’ny fizahantany eto amintsika ary koa hitehirizana hatrany ireny harena voajanahaary ireny.”hoy ny fanazavan’ny manam-pahizana manokana mikasika ny biby an-dranomasina.

Nankasitraka ity fampiofanana ity ihany koa ireo mpisehatra amin’ny fizahantany an-dranomasina satria dia heverin’izy ireo fa fandraisana andraikitra lehibe izao natao izao.

Vokatr’ity fiaraha-miasa teo amin’ny Ministera sy ny Cetamada ity dia fantatra eto amin’ny Ranomasim-be Indiana ny lazan’ i Madagasikara amin’ny fitsirihana  sy fitehirizana ireo biby mampinono an-dranomasina.

Miranto Andrih

Laisser un commentaire