ActualitésTsidika

Alasora : Nisy ny fanarenana sy fanavaozana ireo EPP isam-pokontany

Ato anatin’izao fotoanan’ny fidiran’ny mpianatra izao, nasiam-panamboarana sy fanavaozana ireo EPP teny amin ‘ny fokontany, ao amin’ny kaominina Alasora. Taoriann’ny fahavitan’ny EPP Mendrikolovana, ny EPP Ampahibato indray amin’izao fotoana izao no an-dalana amin’ny fanavaozana sy fanarenana azy.  Efa manomana ny fanarenana azy ihany koa ny EPP Alasora.

« Efa ela no tsy nisy fikarakarana ireo EPP ireo ka rariny raha asina fijerena sy fanamboarana tahaka izao. Manampy ny mpianatra kokoa amin’ny fifantohana na fandehanana an-tsekoly izany rehefa madio sy milamina ny efi-trano fianarana » hoy i Bakoly renim-pianakaviana, manan-janaka mianatra amin’ny EPP. « Anisan’ny imasoan’ny kaominina hatrany ny fanatsarana sy ny fanavaozana ireo foto-drafitr’asa misy mba hanatsarana ny kalitao, indrindra eo amin’ny resaka fampianarana. Mila kojakojaina dieny eny amin’ny ambaratonga fototra ny lafin’ny fampianarana, hitarafana ny fandrosoana » hoy ny tomponandraikitra ao amin’ny kaominina.

Taratra hisian’ny fampandrosoana eny anivon’ny kaominina tokoa ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana izay manomboka indrindra amin’ny fanavaozana sy fanamboarana ny efi-trano faianarana. Mila fikojakojana anefa izy ireny mba haharitra satria soa iombonana fa indrindra mbola ho dimbiasin’ireo zanaka ao aoriana.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire