ActualitésTatitra

France : Renim-pianakaviana iray no voaheloka am-ponja 18 volana noho ny fandaozana ny zanany

Notsaraina ny herinandro lasa teo tao amin’ny fitsarana tao Lille i Angèle, renim-pianakaviana 33 taona noho ny tsy firaharahiany sy ny fandaozany ny zanany 4. Tamin’ny taona 2017 dia noroasin’io renim-pianakaviana io ny rain’ireo zanany ireo izay mamolava sy mahery setra raha ny fanazavana. Andro vitsivitsy taorain’izany nefa dia namoy ny ainy io lehilahy io.

Fotoana vitsy taorian’izany dia nahita olon-kafa i Angèle. Nandeha tao Tunisie herinandro niaraka tamin’io lehilahy io ity farany ary namela ny zanany 13, 11, 10 ary 6 taona irery tao an-tranony. Niverina avy tany izy dia nanantona ny « Aide à l’enfance » ary nilaza fa tsy mila ny zanany intsony fa hamorona fiainana vaovao miaraka amin’ialy vadiny vaovao.

Rehefa tany amin’ny « famille d’accueil » ireo zaza ireo dia nila fa niharan’ny herisetra nataon’ny reniny hatramin’ny nahafatesan’ny rainy. Etsy ankilany dia mibaby ny trosa navelan’ny vadiny taloha ihany koa io renim-pianakaviana io.

Manoloana ny tranga dia voaheloka higadra 18 volana izay 9 volana sazy mihatra i Angèle ary nalàna tamin’ny ny fahefahany amin’ny zanany.

Laisser un commentaire