Fampiroboroboana ny vehivavy : Mbola ambany ny salan’isa azo na teo aza ny hetsika « 100 andro hiasana ho amin’izany»
Nandritra ny 100 andro izay nanomboka tamin’ny faran’ny volana novambra 2022 iny no nanatanterahana ny hetsika ho famiroboroboana ny vehivavy. Tsara ny vokatra tao anatin’izany 100 andro nanatanterahana ny hetsika izany. Nisy ny fanambarana ny vokatry ny hetsika nandritra ny lanonam-pamarana izany teny Anosy.
“Nahazo ny isa 69.4 / 100 i Madagasikara raha ny mahakasika ny “women business and law 2023”. Efa tsaratsara ihany izany isa azontsika izany fa mbola afaka manao tsaratsara kokoa hatrany isika. Tsy amin’ny saina fotsiny ny fampiroboroboana ny vehivavy sy ny ankizivavy fa tena amin’ny hetsika hita mivantan mihitsy. Manana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana ny firenena ny vehivavy ka izany no antony nisian’iny hetsika iny izay niompana kokoa tamin’ny fampianarana ny ankizivavy, ny fahavitantena ara-ekonomikan’ny vehivavy ary ny mahakasika ny herisetra izay hatao amin’ny vehivavy”, hoy i Mialy Rajoelina, mpitarika ny hetsika.
Nitaky asa betsaka ny lohahevitra noraisina tamin’izany hetsika 100 andro izany hoe “mampiroborobo ny ankizvavy sy ny vehivavy, tsy ara-tsaina fotsiny fa tena ilaina ho amin’ny fampandrosoana”. Tsy tokony hijanona ho tamin’iny 100andro iny fotsiny ihany araka izany ny ezaka rehetra natao fa tokony hitohy satria ny fampandrosoana dia mandroso sy mihetsika hatrany. “Manana ny toerany ny vehivavy ka tsy tokony hambaniana fa tokony ampiana sy tohanana hatrany”, hoy ny avy ao amin’ny GFEM, naneho ny heviny.
Mbola misy asa maro mila harenina araka izany raha ny eto Madagasikara no resahina. Amin’izao fotoana izao dia mbola 45% amin’ny vehivavy Malagasy no manambady alohan’ny faha 18 taonany. 39% amin’ny ankizivavy 15 ka hatramin’ny 19 taona kosa no efa miteraka. Araka izany dia samy tompon’andraikitra ny tsirairay araka ny adidiny avy. Mila hampitomboana ihany koa ny fanabeazana mifototra amin’izany sehatra izany.
Miora Raharisolo
