ActualitésTatitra

Pérou : hiverina hihiboka mandritra ny herinandro hankalazana ny fetin’ny paska

Hanakatona ny asa sehatra fandraharahana sy hampiato ny fifamezivezena amin’ny fiarakodia sy an’habakabaka indray I Pérou mandritra ny herinandro hankalazana ny fetin’ny paska. Entina hiarovana amin’ny mety hipariahan’ny valanretina coronavirus ao an-toerana ity fanapahan-kevitra nambaran’ny governemanta ny alarobia 17 martsa ity. Haharitra herinandro io fihibohana anatin’I Pérou io. Bisikleta sy tongotra ihany aak’izany no fitaovana afaka hifamezivezen’ireo mponina ao an-toerana mandritra izay fe-potoana izay. Voatondro ihany koa fa rehefa tsy maintsy mivoaka ihany vao afaka mivoaka mifamezivezy eny an-dalambe sy any amin’ny toeram-pivarotana sasantsasany. Tsy voakasiky ny fanakatonanana mantsy ny toeram-pivarotana kojakoja ilaina andavanandro, ny ivotoeram-pamarotam-panafody sy ny bankim-bola, eo anelanelan’ny 1 ka hatramin’ny 4 aprily. Hiatra kosa ny fanakatonana ny fifamezivezena amin’ny fiarakodia sy an’habakabaka manomboka ny 1 ka hatramin’ny 3 aprily ho avy izao. Mahatratra 49 500 ireo maty nandritra ny nisian’ny coronavirus tao Pérou. 1,4 tapitrisa kosa ireo voamarina fa mitondra ny tsimonkaretina.

Laisser un commentaire