ActualitésTsidika

Talata Volonondry: Miato ny fanamboarana ny lalam-be migodana

Raha ny fiandohan’ny herinandro teo ny fahatongavan’ireo fiara lehibe (engins) nafarana avy any ivelany, hanamboarana sy hamita ny lalam-be migodana (autorute) ao amin’ny kaominina Talata Volonondry, dia misy ny fanatsaharana sahady ny asa amin’izao fotoana izao. Miroso amin’ny fanadihadiana sy hanao ny « études d’impact environnemental » ireo tomponandraikitra raha ny voalaza.

« Hisy ny firotsahana an-tsehatra ho fankan-kevitry ny olom-pirenena isam-pokontany mandrafitra ny kaominina eto an-toerana. Aorian’ny fandravonana no hahazoana na tsia ny fahazoan-dalana amin’izany ka hahafahana manomboka ny fanamboarana ny asa indray » hoy ny tompondraikitra misahana ny fanamboarana ny lalam-be migodana.

« Somary tara ihany ny fanapahan-kevitr’ireo tomponandraikitra raha izao vao hiroso amin’ny fanadihadiana izany. Tokony mialohan’ny fanamboarana dia efa fantatra ny mety ho vokatry ny fametrahana ny tetikasa teo satria ny tantsaha no mizaka ny vokany amin’izao » hoy i Tefy, mpianatra amin’ny ambaratonga ambony.

Vokatry ny fametrahana ity tetikasa ity ao an-toerana, dia efa maro ireo tanimbary no tototra tsy misy ihany koa ny fivoahan’ny rano ka nahatonga ny tondra-drano tao an-toerana tamin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra teo iny. Enganie mba tsy ho tara loatra izao fanapahan-kevitra amin’ny fanaovana fanadihadiana izao ka hampisy voka-dratsy eo amin’ny tantsaha.

Manitra R.

Laisser un commentaire