Dépêches

Manakara : Lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona miisa fito.

Dépêche 28 décembre, 13h, Nitrangana lozam-pifamoivoizna tany amin’ny 10km tsy hidiriana ny tanànan’ny Manakara. Olona miisa 7 be izao no niara-maty vokatr’izany raha mbola manaraka fitsaboana kosa ny olona roa ambiny. Mpitsabo roa, mopera sy masera ary olon-tsotra no namoy ny ainy tamin’izany. Araka ny faminavinana dia fivoahan-dalana no nahatonga ny loza ka nidona tamin’ny hazo ka potika tanteraka ihany koa vokatr’izany ilay fiara. Mitoetra hatrany ny fahamailoana raha toa ka reraka ny mpamily ka tokony haka aina na hatory mihitsy. Ny torimaso fotsy matetika no miteraka izany lozam-pifamoivoizana toy izany.

Laisser un commentaire