Fampianarana : Nahazo fanamafisam-pahalalana ireo mpampianatra arak’asa sy teknika
Dépêche 25 avril, 11h, Hisitraka fanamafisam-pahalalana mandritra ny 10 andro ireo mpampianatra amin’ny sekoly arak’asa sy teknika. Ao anatin’ny fanatanterahana ny fandaharan’asa PNEFP izany ary ny METFP no manolotra ny fampiofanana. Ny tanjona amin’ity fampiofanana ity dia ahafahana mampitombo ny fahaizan’ireo mpampiofana na araka ny fomba fampitana ny fampianarana na araka ny fampandrosoana ny fampianarana. Hitondra ny anjara birikiny ihany koa ny UNICEF amin’ny alalan’i Dominique Michaux sy i Olivier Gilot izay mpampiofana avy amin’ny FOREM.
