ActualitésTsidika

Alasora : Hisy ny fanaovana didimpoitra faobe

Mikarakara didimpoitra faobe ny kaominina Alasora ho fanamaivanana ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny. Manomboka ny 14 jona hatramin’ny 16 jona no hanatanterahana izany, manaraka ny fandaminana napetraky ny kaominina.

« Efa ao anatin’ny vanimpotoanan’ny ririnina isika izao. Fotoana indrindra hanaovana ny didimpoitra. Ho fanamaivanana manoloana ny fahasahiranana efa misy no hanaovana ity hetsika faobe ity. Efa misy ny fandaharam-potoana napetraka ho amin’izany » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Alasora. « Tsara raha miteny mialoha raha misy aretina mitaiza ilay zaza. Aoka ho entina tsara avokoa ireo zavatra mety ho ilaina mandritra izany toy ny lamba sy ny mpitazona ny zaza » hoy hatrany izy ireo.

Saika mikarakara ity hetsika famorana faobe ity ny kaominina eto Avaradrano. Manampy betsaka ireo ray aman-dreny tokoa satria efa miakatra ny vidim-piainana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire