Analalava : Vola 4 tapitrisa ariary natolotry ny governora hanarenana ireo trano ravan’ny afo tao mahabo
08 Jona, 10h00. Tonga tao Mahabo ‚ fokontany Nosy Lava kaominina Analalava ny Governoran’ny faritra Sofia ‚ Jeneraly Lylyson nihaona tamin’ireo vahoaka tra-boina noho ny hain-trano goavana tao an-toerana ny faram-parany volana may 2022 teo. Nanolotra lela-vola 4 Tapitrisa Ariary hanampiana amin’ny fanarenana ny trano ravan’ny afo izy tamin’izany.
